Association Ny Aina

NY TOE-KARENA

vendredi 19 février 2010

Efa nisy hatramin’ny andro fahagola ny taozavatra : ny rafitra , ny tefy, ny tenona, ny trano, ary ny fandoarana vato sy metaly avy any an-kibon’ny tany…

Nisy ihany koa ireo nafarana avy any ivelany toin’ny fiara, ny fanaovana taratasy, ny masinina maro isan-karazany…

Ny fitaterana eto Madagasikara : fitaterana an-dranomasina, ny fitateran-dalamby, fitaterana ana-habakabaka, ny fitaterana an’arabe.

Ny fitaterana an’arabe, ireo fiarakodia isan-karazany izay mivezivezy manerana ny Nosy.Misy ny fiara-mbahoaka « taxi-brousse », ny kalesy, ny posy-posy, ny bisikileta, na koa ny mandeha tongotra.
Mazana ny tantsaha no mandeha tongotra miloloha ny vokatra hamidy any an-tsena.

Hahitana posy-posy manerana ny tanan-dehibe eto Madagasikara, ary samy manana ny bikany.

Ny saretin’omby izay mitatitra entana isan-karazany ary feno azy ireny ny arabe.

Ny kalesy tarihin’ny soavaly.

Maro karazany ny fiarakodia ary mizara sokajin-taona ny fisiany .Ny 4L sy 2CV no ankabeazan’ny taxi, misy mihoatra ny 30 na 40 taona no niasany.
Mbola tsy ampy raha eo amin’ny resaka fitaterana na dia nisy fandrosoana kely tato ho ato.

Ny fitaterana an-dranomasina, Ony na Renirano.

Ampiasaina daholo ireo hazo mitsingafin, ny zotra hazo, volo, bararata (bambou). Any amin’ny faritra Mananjary canal des pangalanes no hahitana ireo tantsaha avy lavitra mitondra ny vokatra,hamidy any an-tsena, akondro, mangahazo,vorona, trondro..sns, rehefa lafo ny entana namidiny dia hamidiny koa ny zotra satria mandeha tongotra izy rehefa mody any aminy.
Misy koa ny lakana ampiasaina amin’ny lafiny rehetra ary misy karazany maro, ny hazo no tsy maharaka.

Ny lakan-drafitra misy milina ivelany (moteur hors-bord) mitatitra olona sy entana.

Any amin’ny faritra andrefana , ny lakan-drivotra, ny botry ary ny sambokely, manarato amin’ny sisin-tany.

Any amin’ny faritra atsinanana indray, ny sambobe misy milina (à moteur). Tsy manana zotra raikitra izy ireo fa miandry mpanofa. Mampizotra ny seranan-dranomasina miisa ho roapolo, ny dimy amin’ireo ihany no manam-pitaovana , roa no afaka mampitoby sambo goavana dia Toamasina sy Ehoala Taolagnaro.

Ny fikambanam-barotra ny firenena Air Madagascar no rehareha sy fitaratra eto amin’ny nosy.Fiaramanidina maro, noavaozina ho tonga lafatra, mampizotra ny seranam-piara-manidina miisa 50 eto amin’ny Nosy ary miisa 20 any ivelany : Afrika , ranomasina Indiana, Eropa ary Asia .Air Madagascar mampiasa roa isan-jato eo ho eo amin’ny toe-karenan’ny malagasy, izy no loha laharana amin’ny fiantohan-draharaha eto an-toerana, ary voalohany amin’ny hatsaran’ny fitaovana sy ny fiara-miasa ara-teknika ny mpiasa.
Ny fanafarana ny kojakoja avy any ivalany no tena mandany ny toe-karenan’ny malagasy..Ny fitrandrahana ny harena an-kibon’ny tany izay mitatra manerana ny nosy.

Ny mpidrandraka volamena any amin’ny renirano Namorona. Ny fitrandrahana goavana be ny vahiny Rio Tinto ny ilmenite ao Taolagnaro.
Ny fambolena ,ny voly, doro-tanety, ny ozina fanaovana siramamy, ny dobobe fiompiana patsabe (crevette), ny fikasana hanomezana fahefana an’i Daewoo hanofa ny tany malagasy.

Misy isan-karazany ny varotra, takalo « troc » entana hatakalo vola, mbola misy hatramin’izao, ny takalo asa vary na vola….Ny ray aman-drenin’ny mpianatra manome vary na vola ho an’ny mpanampy ny mpampianatra, na koa tany kely hambolena mandritran’ny fetr’andro tsy voafetra.

Ny fifindra-monina, mandao ny fianakaviany mandritran’ny taona iray na roa na mihoatra, mila ravinahitra, mitady asa lavitra. Rehefa nahazo vola na omby izy dia miverina any an-tanana mamonjy ny havany.

Ny PAM «programme alimentaire mondial » mampiasa sy manome valisoa ho an’ireo mpanampy misoratra anarana ao an-toerana ka VCT (vivre contre travail) Sakafo takalo asa.

Ny vola Malagasy ny ariary avy amin’ny teny arabo « al rial ». Tsy nisy vola marina nampiasaina talohan’ny fanjanahan-tany ka ny 5 ariary milanja 24 francs frantsay no nanambara fa ny francs no vola tokana ampiasaina ho an’ny rehetra, nasiana solom-bidy amin’ny 1 ariary tonga 5 francs izay nahatonga fisafotofotoina. Tamin’ny taona 2004 ny franc malagasy fmg no nofohanana tanteraka, ny Ariary MGA no vola ampiasaina ara-dalàna. Ny fampitam-bola, matetika ny vola mivaingana no ampiasaina izay manasarotra ny fifanan-kalozana rehefa fotoana fiakaran’ny vokatra satria tsy maharaka ny vola mivaingana.Tsy mahatoky ny vola taratasy « chèque » ny ankamarohan’ny malagasy, vitsy ny mampiasa azy io.

Navaozina daholo ny banky sy ny fitaovam-piasana ao aminy. Mbola vitsy ny malagasy mampiasa azy. Ny ambim-bava « épargne » na ny mitrosa, misambotra « crédit » dia vitsy ihany koa.

Ny fizaram-bola sy ny fidiram-bola tsy misy takalony izay manana andraikitra mavesatra ho an’ny toe-karena malagasy, hatramin’ny namohanana madiodio tamim-pahagagana ny trosa tamin’ny taona 2002, na kely na lehibe ny fanomezana dia ireo efa zatra mandray sy manodina ihany no mifampizara amin’ny fomba maizina. Mangataka fanampiana eran’izao tontolo izao :« Ady amin’ny fahantrana » raha nozaraina tamin’ny fomba mazava tsara ny fanomezana hiadiana amin’ny fahantrana, ka nahazo ny anjara hiasany ny vahoaka mila an’io fanampiana io, nety mba ho avotra izy ireo.

Samy manana ny fomba fidiram-bolany eto Madagasikara, ary tena hita ny tsy vitovizan-daharana amin’ny vola miditra sy ny vola lany, ao ireo manisa ny volany amin’ny fahazaton’ny euro (centime d’euro) misy kosa ny manisa aman-jato ny euros (centaines d’euros).

Hadino nandritran’ny fanjanaha-tany, ny fomban-drazana izay nahavokatra sy niantoka ny sakafo ho an’ny vahoaka, etsy an-daniny ny fanavaozana ny fiasana natokana ho an’ny vokatra hahondrana no tena nihezana.Marihina ny fahamafisan’ny baiko tamin’ny mpiasa mpanjakana vazaha mpanjana-tany ny fanaraha-maso ny fambolena sy ny asa vita, noho izany dia mamokatra tsara ny mpiasa.Hatramin’ny nahazoana ny fahaleovan-tena anefa, dia tsy nisy nandray andraikitra intsony ireo mpanao politika fa samy nameno ny paosiny.

Be dia be ny harena voa-janahary : ny vato isan-karazany, ny toetr’andro mety amin’ny voly « tropicales na méditerranéennes ».
Loha laharana i Madagasikara amin’ny fanondranana la vanille eran-tany. Mamokatra kafé, cacao, épices, menaka manitra isan-karazany « huiles essentielles », ny vary, ny katsaka, ny varim-bazaha « blé », ny ampemby « sorgho », ny vaomao « grains de sésame », miampy ny voly fihinana samy hafa mameno ny tsena.Tsy hahitana izay tadiavina rehetra fa miankina amin’ny vokatra misy.

Maro isa ny omby raha mihoatra amin’ny vahoaka.

5000 km ny haben’ny morontsirak’i Madagasikara, kely dia kely ny faritra miasa na ampiasaina amin’io.

Ny fanimbana ny ala eto an-toerana, izay mbola mitohy hatramin’izao, ary efa nisy nandritran’ny taona maro ary mety hatapitra tarangana ny ala.

Ny fitrandrahana ny harena ankibon’ny tany izay tena misy marina ary zava-dehibe eto Madagasikara, maha-tonga fisafotofotoina sy filan-dratsy ary varo-maizina.
Ny fahantrana, voatonona matetika amin’ny maha izy azy eo amin’ny toe-karena malagasy, mila fanadihadiana lalina ; vokatr’izany ny fomba fiasa sasany izay natao hiaro sy hiady amin’ny fahantrana , raha manala fahasahiranana ho an’izay voadona , saingy tsy hanatsara ny ho avin’ny fitambaran’ny malagasy mahantra.


Accueil | Contact | Plan du site | | Statistiques du site | Visiteurs : 2490 / 20235

Suivre la vie du site mg  Suivre la vie du site MADAGASIKARA  Suivre la vie du site NY TOE-KARENA   ?

Site réalisé avec SPIP 3.0.23 + AHUNTSIC

Creative Commons License